Mbola hafa ihany
FMZ(Fanilo Midera an'i Ziona)
Mbola hafa ihany
Mihazakazaka be
Ny fiainana
Rotoroto isan’andro
Tsy misy hitarainana
Tsy antitra tsy tanora
Fa samy,torovana
Mitady izay vaha-olana
Hivoahana
Aiza intsony moa
No hizorana
Aiza no haitàna
Hasambarana
Fa ny làlana rehetra
Tapitra mihidy eh eh
Feno haizina avokoa
Réf:
Mbola hafa ihany
Ny manana an’i Jesosy
Ho Tompo sy mpamonjy
Mpanjakan’ny fiainany
Tsy miady irery
Amin’ny olàna amin’ny fiainany
Matöky izy eh, matöky izy eh eh eh
Ny fitantanany
Aiza intsony moa
No hizorana
Aiza no haitàna
Hasambarana
Fa ny làlana rehetra
Tapitra mihidy eh eh
Feno haizina avokoa
Réf:
Mbola hafa ihany
Ny manana an’i Jesosy
Ho Tompo sy mpamonjy
Mpanjakan’ny fiainany
Tsy miady irery
Amin’ny olàna amin’ny fiainany
Matöky izy eh, matöky izy eh eh eh
Ny fitantanany
A/C:Andrisoa Rivolala 2019