MBOLA AO

APAL EKAR BEMASOANDRO

MBOLA AO


1- Mbola ao ny masony mijery
Sy manjohy ny làlana hombàna
Tsy mamela antsika ho irery
Fa mandinika am-pihantràna!


Tena mbola ao matoa mbola toy izao
Tena mbola ao fa tsy mba nanindao
Ao ’lay topimaso nahavelonaina
Ka tratry ny maraina


Ref: Dibon-kafaliana ny fo amam-panahy
Tena faly indrindra, mirana sahisahy
Ka izay tokoa ange no mampihira hoe:
Ravo ny fo maina hatrizay,
Nohamandoin’ny fahasoavan-dRay
’Lay efa tsy velona fahiny,
Dia natsangany ankehitriny


2- Satriko hihira sy hikalo
Sy hiantsa ny anaranao
Hanambara Anao amin’ny maro
Fa ianao dia fiainam-baovao


Tsy hangina aho, matoa ianao toy izao
Dia lazaiko anao f’Izy anie mbola ao
Ka manopimaso sy mamelona aina
Ho tratry ny maraina


·