Mbola adala

Tanora Masina Itaosy

Mbola adala


Mbola adala aho Jesosy Oh! Adala hatram’ izao
Mbola tsy mahafoy ‘reo ratsy izay fanaoko hatram’ izay
Mbola mihevi-dratsy foana sy manao an-dolom-po
Mankahala mbetika mialona ireo namako


Alao amiko ireo Tompo Oh! Mitalaho Aminao
Fa tsy mendrika nefa lazaina hoe “Mpanomponao”
Ka mifona aho, miangavy esory ity kapoaka ity
Ary hazony aho ho eo Aminao fa ondry iray nania


Moa ve Tompo o? Voasoratra
Any an-danitra any ny anarakooo
Moa ve aho mba isan’ ny Anao
Moa mananjara lova avy Aminao


Manomboka anio Jesosy Oh! Itodika Aminao
Ialako ireo fanao izay nampalahelo Anao
Nefa tsy ho vitako izany raha tsy Ianao Kristy
No manafaka, afaho ity adalanao ity


Diso lalana anie aho Tompo Oh! Ka miandrandra Anao
Ahitsio ny dia, mba akaikezo ity mpanomponao
Aza manalavitra ahy fa mafy anie raha ny afobe
No hovantanina fa tsy ‘Lay Toerana nomaninao


Moa ve Tompo o? …


Raiso aho Tompo Oh! Mba ho Anao
Fa mamy anie ny miarak’ Aminao
Maniry ny ho eo Anilanao
Handova Ilay Lanitra vaovao
‘Lay Toerana efa nomaninao
Maniry aho Tompo, ny ho eo Anilanao.


·