Mba tariho, Fanahy Masina

Riampeon' Ny Maritiora

Mba tariho, Fanahy Masina


Fanahy Masina ô! midina eto aminay
Mba tariho fa maizina ny lalana
Mila Anao mba hanazava, hanazava ny sainay
Sy hanadio làlan-dava ny fo malotonay


Ny hevitray mazana mifanipaka amin’izay fitondranao ny fiainanay
Ka hovay ho vao Fanahy Masina ô!
Ka atoroy ny làla-marina hizorana


Fanahy Masina ô! midina eto aminay
Mba tariho fa maizina ny lalana
Mila Anao mba hanazava, hanazava ny sainay
Sy hanadio làlan-dava ny fo malotonay


Ny otanay ry Fanahy ô! aza tsarovanao fa jereo re araka ny indrafonao
Ka fenoy ny hery avy Aminao izahay mba hatsapanay
fa feno ny Fanahinao izahay


Fanahy Masina ô! midina eto aminay
Mba tariho fa maizina ny lalana
Mila Anao mba hanazava, hanazava ny sainay
Sy hanadio làlan-dava ny fo malotonay


Fanahy Masina ô! midina eto aminay
Mba tariho fa maizina ny lalana
Mila Anao mba hanazava, hanazava ny sainay
Sy hanadio làlan-dava ny fo malotonay


·