Mba saino

Edena Vaovao

Mba saino


Mba saino anie ny namonjen’i Jesosy anao,
fa maty Izy hanananao ’lay fiainan-tsambatra ;
natolony ho anao tsy misy tambiny
ny tenany ho anao malalany.


Izaho sy ianao nantsoiny mba hitambatra ho iray ,
nantsoiny koa hizara ilay tena fitiavana.
Raha mety ianao handeha hifampitantana ,
haneho indray ilay fifankatiavana.


REF :
K’aza manamafy fo, fa anio miantso anao Jesoa ;
sao dia ‘zao hira izao no toriteny farany ho anao ,
fotoana mety anio mba hibebahanao


Mba saino anie ny bitsiky ny Tompo anatinao :
mba hanoloranao ny tena, fo, fanahinao
Tsarovy fa safidy tsy terena ka
raha sitrakao omeo azy ny fonao


REF
K’aza manamafy FO….


·