Mba saino

Feon'Kalvary

Mba saino


Mba saino anie, mba saino anie izany dianao
Izay miainga ho any amin’ny lanitra ambony any
Haniditsidina hitety any ambony tsy takatra antso
Ka tsy hiverina tsy hidina an-tany intsony


Rahoviana re, rahoviana no ho tonga izany
Ka handaozana ity tany izay feno tomany
Fifaliana ho aho, hasambarana tsisy ohatr’izany
Raha izaho sy ianao izao , no ho any, mba ho tonga any


Ny Ray anie i Jesosy no hitantana anao
Sy hanoro ireo zava-boary tsy mbola hita tety
Dia ho gaga ianao fa ho hita any koa ireo namana
Sy ireo olona tsy voapetin’ny otan’ny tany


Rahoviana re, rahoviana no ho tonga izany
Ka handaozana ity tany izay feno tomany
Fifaliana ho aho, hasambarana tsisy ohatr’izany
Raha izaho sy ianao izao , no ho any, mba ho tonga any


Mba saino (A.C Andrianavalona Hobisoa)


·