Mba raiso

Riampeon' Ny Maritiora

Mba raiso

Ampelatananao ry Raiko no anolorako
Ny tena, fo, fanahy, ny saina, ny fananako
Hoentiko hanompo Anao izay talenta ananako
Mivonona ny hiova re ka raiso ny fifonako

Ampelatananao ry Raiko no anolorako
Ny tena, fo, fanahy, ny saina, ny fananako
Hoentiko hanompo Anao izay talenta ananako
Mivonona ny hiova re ka raiso ny fifonako

Ref : Mba raiso ny fitarainako
hanatona Anao Jesoa
Fa ranomaso sy alahelo
no hany mba anjarako
Mba raiso ny fitarainako
hanatona Anao Jesoa
Fa ranomaso sy alahelo
no hany mba anjarako

Na sarotra aza re hiafiko, hiaretako
Ny latsa sy ny eso tsy misy atahorako
Ekeko ampifaliana sy ataoko antsitra-po
Hanohy ny asanao mandritry ny andro havelomako

·