Mba marina anie 2.0

Mr Sayda (Misié Sayda)

Mba marina anie 2.0


Fa efa ela loatra angamba ny niandry
Otran’ny miandry vola @CNAPS
Toa isak’alina tsy tafandry mandry
Aleo hialako sao Collapse


Fanantenana miha manify
Ianao kosa efa dify
Nanantena tsikitsiky any aho eh
Ilay zah toa tsy sarotiny sy nanantena potiny
Ninianao nararaotina aho hoe “Mba marina anie”
Teny amorony aho ka tena mbola tena babo oh
Ianao natopatopan’ny onja hiampita rano oh
Ianao ve hanadino ny akoho tao an-trano oh
Fa sao dia bedy @zany ehh


REFRAIN:


Fa efa ela loatra angamba ny niandry eh
Rehefa tsy ho avy dia mampamangy ah ( X 2 )
Raha tsy manaiky ianao tsy afaka hanery anao anie
Ho tohizako mahitsy foana ny làlako eh ( X2 )
Fafao eh, ny anarako fafao eh
Fafao eh, ny momba ahy fafao eh


Fa tena tia anao ah ’nefa zany efa taloha,
Ho havadiko ary ny pejy ka tsy ataoko hampiasa loha
Ho dorako ary ny boky, ‘zay mombamomban-droky
Anatin’ny Facebook ehh, oh no no Ameza eh


Fa ifaliako zay ho anjarako eh
Na tsy hitovy @nao mihitsy ry malala
Zah koa tofoka efa manomboka leo
Raha mbola hiandry anao mety ho lasa adala


Tolorako olon-kafa raha toa ka tsy ho anao ny foko
Firy taona niandry anao nitomany nitoloko
Nanantena foana anao fa voafilafila


REFRAIN:


Fa efa ela loatra angamba ny niandry eh
Rehefa tsy ho avy dia mampamangy ah ( X 2 )
Raha tsy manaiky ianao tsy afaka hanery anao anie
Ho tohizako mahitsy foana ny làlako eh ( X2 )
Fafao eh, ny anarako fafao eh
Fafao eh, ny momba ahy fafao eh.


·