Mba manàna fo
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mba manàna fo
Mba manana fo miantra sy mitia
Amin’andro sisa hiainanao ety
Fa izany no hafatarana
Hitarafana fa mpianatr’i Jeso
Mba ho toy ilay samaritana tsara fanahy ianao
Hamonjy ny malemy
Ary hampanjaka ny fifankatiavana
Ho an’i Kristy
Mandehana e tanteraho ny teniny
Mazotoa tanterao izany
Namako o izao no ambarako aminao
(Tsy ho foana)x2 ny fikelezan’aina anao
Fa izany no hamatarana
Hitarafana fa mpianatry Jeso