Mba iriko

Poopy

Mba iriko

Oh lay eh lay eh Oh lay eh lay eh lala

Tiako toa hahatamana
Iriko hanana fahafahana
Tiako nefa sarotra alaina
Iriko hanana fiadanana

Hitako sary ao an-tsaina ny fahasambarako
Tsy misy hisasarako fa efa misy an’izay hifaharako
Tsy hisy intsony ny zavatra izay manahirana ahy
Ny saiko milamina tsara, ny saiko efa mirana

Eh, faly tokoa raha mba afa-mivoatra
Fa izay ananana tsy ampy loatra
Tsy afa-maninona tsy afa-manohatra
La lalalalalala lala

Tsara efa ela niriko
Ah han. Hanana ny mba tiako

·