MBA HO MENDRIKA

Feo Fi APU Am

MBA HO MENDRIKA


1-Tsy fantatro izay manjaka,
Satàna ve sa i Jesosy no ato am-poko?
Indraindray aho mba tsara fanahy,
Fa matetika tsy mendrika eo anatrehan’ny Ray


Raha izaho ianao,mibebaka mafy,
Mangataka ilay fanahy fahendrena
Mba tsy handeha amin’izay tsy izy,
Mba ho mendrika tokoa.


Fiv- Jesosy ô (Jesosy ô)
Vonjeo re aho (Inty re aho)
Mifona e!mifona Aminao(Mifona Aminao)
Jesosy ô (Jesosy ô)
Tantanao aho,(Inty re aho)
Tantano aho mba ho mendrika(Tsy mendrika ho Anao)


2- Jesosy ô! ity fahalemeko
No entiko eto Aminao hahazo hery,
Toa menatra aho, mangahiahy
Fa nanao izay nampalahelo Anao ry Tompo ô!


·