Mba ho iray

Groupe Ny hiran'ny Fanantenana

Mba ho iray


Isaoranay Ianao ry Jeso zokinay
Ny fahasoavanao no naha-toy izao anay
Fitahiana maro sesilany no voaray ka hidera Anao
Hankalaza Anao , hihira ireto zandrinao


Isaoranay Ianao ry Jeso zokinay
Ny fahasoavanao no naha-toy izao anay
Fitahiana maro sesilany no voaray
Ka hidera Anao ireto zandrinao


Firaisam-po ,firaisan-tsaina ,fifankatiavana
‘Zay no tianay hanjaka anivonay
Hiombon’amin’ny fanompoana , hanam-piniavana
Ho modely history ny hafatra


Mba ho tena iray , iray fo sy saina tokoa
Satria tokana ny tanjona ao am-po
Hifanohana , hifampahery , hifampivavaka
Ka hiarak’handova ilay lanitra


Mba ho tena iray , iray fo sy saina tokoa
Satria tokana ny tanjona ao am-po
Hifanohana , hifampahery ihany koa
Ka hiaraka handova ilay lanitra soa
Hifampivavaka mba aharitra
Ho tafita , ho tonga ao an-danitra


‘zaho sy ianao ho voavonjy hiara-tsambatra


·