Mba ho ento mandihy

Johasina

Mba ho ento mandihy


Taitra aho refa nandre ny antsonao
Nitebiteby mafyraha nolazainao
Reo teny Manao avia andao ho ery
Hiresaka vetivety, minitra iray fotsiny


Natorony ahy lay bandy mahatara azy
Nitady paika hono izy, mba hitodiahany
Dia ny ataoko, mody Manao namany
Mba hampitsiry lay fialonany


Mba ho ento mandihy eny aho
Mba ho ento mankafy
Mba ho ento mandihy rery aho
Na lainga fotsiny


Hatrizay nanao zay sitrakao
Ho taratr’ilay Fitia efa natokako ho anao
Tsy hitanao ve ireo fihetsika miafina
Fa dia noraisinao ho namana sy anadahy


Mba ho ento mandihy eny aho
Mba ho ento mankafy
Mba ho ento mandihy rery aho
Na lainga fotsiny


Mba ho ento mandihy eny aho
Mba ho ento mankafy
Mba ho ento mandihy rery aho
Na lainga, na lainga lainga lainga


Mba ho ento mandihy


·