Mba ho any Amin’iza Moa?

Tvbroadcasting

Mba ho any Amin’iza Moa?


1.Raha vao reko manako


Miantso mafy ilay feo,


Dia fantatro fa


’Zay ’lay tena Mpiandry ahy.


Ny lalana ombako:


Izy no eo aloha eo.


Atorony ahy raha


Mety hisy hamingana ahy.


Fa tsisy ataoko hampiala ahy


’Zay feo mampisalasala.


Feon’olon-kafa ireny,


Ny hampianjera ahy no kendreny.


(FIVERENANA)


Mba ho any amin’iza moa?


Aleo Kristy no ekeko ho Mpiandry ahy!


Raha hiala aho dia ho aiza moa?


Hiafara any an-kady aho


Fa haiko sahady a!


Tsy hamadika azy aho, tsia! Sanatria!


2.Maitso mavana sady


Amoron’ny ony koa ny any,


Mahatsiaro ho voaro,


Lavitry ny fahavalo.


Santionan’ny hoavy


Mbola hiainako izany:


Ilay nofy efa tsy andry


Hefain’ilay Mpiandry.


’Zaho tsy hanaiky hiala


Raha feo mampisalasala ahy.


Feon’olon-kafa ireny,


Ny hampianjera ahy no kendreny.


(FIVERENANA)


Mba ho any amin’iza moa?


Aleo Kristy no ekeko ho Mpiandry ahy!


Raha hiala aho dia ho aiza moa?


Hiafara any an-kady aho


Fa haiko sahady a!


Tsy hamadika azy aho, tsia! Sanatria!


(FIVERENANA)


Mba ho any amin’iza moa?


Aleo Kristy no ekeko ho Mpiandry ahy!


Raha hiala aho dia ho aiza moa?


Hiafara any an-kady aho


Fa haiko sahady a!


Tsy hamadika azy aho, tsia! Sanatria!


Raha hiala aho dia ho aiza moa?


Sanatria raha izy no hafoiko oooooooooo!


(Septambra 2022)


·