MBA HAFAHAFA IHANY
Dany Ranoa
MBA HAFAHAFA IHANY
Mba hafahafa ihany
Ity fiainana eto an-tany !
Velona tsy tiana
Nefa, ho’aho,
Maty : itomaniana !…
Ny resy : tsy jerena !
Ny potraka : hosena !
Koa rehefa injay fa tola
Vao andaniana vola!…
Tsy afaka hiteny
Fa vovoka malemy…
Ireny anefa, lahy
No andrasana hitahy?!…
Velona : niatahana
Nariana sy navahana !
Maty vao ekena
Mba handanian-karena ?/…
Dany Ranoa 1981