Maty ho anao Jeso

Groupe Lalao

Maty ho anao Jeso


Am-baravaran’ny fonao
Misy Mpiandry iray mandona
Tsy matory, tsy tafandry
Te hamela ireo mifona
Teny feno famelàna
Teny feno fifaliana
No omen’i Jesô Tompo
Raiso re, f’Izy maty ho anao
Ho an’izao tontolo izao


Am-pandehanana eny koa
Misy sandry iray mitsotra
Ny fitiavany rehetra
Dia tsy miala fa mitoetra
Ny fitiavany madio
No atolony anao
Koa meteza re anio
Raiso re, f’Izy maty ho anao
Ho an’izao tontolo izao


‘Reo namanao variana ety
Ilazao mba hahalala
Famonjena tsy vidiana
Fa omena tsisy fetra
Mitsangàna ankehitriny
‘Ndeha torio zay fantatrao
‘Lay Anarana lalaina
Jesô tia, f’Izy maty ho anao
Ho an’izao tontolo izao


Ry mpanota !!!
Ho aiza moa ianao ? X4
Mba henoy re,
Jesô miantso anao


A.C : AMS


·