MATOKY ANAO
AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
MATOKY ANAO
Trio Chœur:
Fahasambarana ny matoky Anao
Andriamanitra ô!
Matoky Anao ‘zahay
ka midera ny Voninahitrao.
Bass:
Sambatra! Sambatra, eny, sambatra
ny matoky Anao Andriamanitra ô!
Mino sy matoky Anao ‘zahay
ka midera ny Voninahitrao.
1°/ Sambatra tsy misy ahiana
ny miaina mahatoky Anao.
(Miaina matoky Anao!)
Ka izahay ampifaliana hiray fo
hiaraka hisaotra Anao.
2°/ Mijoro an-kasahiana
izahay matoky Anao.
(‘Zahay matoky Anao!)
Tsisy tahotra hitoriana fa midera,
mankalaza Anao.