Matoky aho Tompo

Chorale Taratr'i Maria

Matoky aho Tompo


Ny lalana izay diavianay
Mandalo fitsapana mavaivay
Matoky ny herinao ahay Tompo o oooo
Mila tsy hozakanay reo sedra maro izay sedrainay
Ahay matoky ny fitiavanao


Matoky aho Tompo f’Ianao no momba ahy
Ny lalanao no aoka hizorako
Tsy hihemotra aho na ino-hidona na ino hihatra
Ny lalanao no aoka hizorako


Aia Jesoa no ahitako anao
Aia Jesoa no ahitako anao
Toy aho miremby anao
Toy aho mandigny aho
Toy aho miremby anao, toy aho mandigny aho


Ianao no havelomako ry Jesoa be fitiavana
Matoky ny fitiavanao aho
Raha mbola misy koa ny farany
Tsy ho foana ny fanantenako
Matoky ny fitiavanao aho


·