Matoky

Aton'ich

Matoky


Ry foko oh
‘Zaho manaiky anao
Ny hanaradia satria efa matoky anao
Fitiavana oh
Inty ilay nantsoinao
Natoky aho ka mbola hatoky anao


Malalako,
ilay finidin’ny foko
Ilay teo foana niharitra hadalana
Oh tiako!
Manomboka eto izao
Hiombom-pitia isika fa sahala


Ka satria tiako ianao
Dia vonona aho rahavako
Satria koa ianao tia ahy
Dia ho hamafisiko ny fitiavako


REF :


Matoky, fa efa ahy ianao malala
Matoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f’ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay


Matoky, fa efa ahy ianao malala
Matoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f’ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay


Malalako oh!
Hekena fa tsy mora eh
Ny hanakarana izato kintana
Tsapako oh!
Lavitra ahy ny harena eh
Fitiavana no hany hananako


Efa ahy ianao, anio sy rahatrizay
Ahy irery ianao malala
Oh tiako oh! Manomboka eto izao
Hiombom-pitia isika fa sahala


Ka satria tiako ianao
Dia vonona aho rahavako
Satria koa ianao tia ahy
Dia ho hamafisiko ny fitiavako


Ref :
Matoky, fa efa ahy ianao malala
Matoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f’ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay.


Matoky, fa efa ahy ianao malala
Matoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f’ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay


Matoky, fa efa ahy ianao malala
Matoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f’ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay


Matoky, fa efa ahy ianao malala
Manantena aho f’ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay


·