Matokia, miravoa
Antokom-pihira Vetson'i Siona
Matokia, miravoa
1- Tompo soa indrindra sy lavorary
Nanetri-tena nidina ety an-tany
Hitondra famonjena sy hazavana
Hizara hafaliana sy fitiavana (2fois)
Ref:
Matokia miravoa Tonga Ny Tmpo soa.
Mesia ’lay nantenaina hanavotra ny aina
Noely noely, noely noely !
Gloria in excelsis deo !
2- Alao hery ny dia ka malakia
Ndeha Hiara hioby ilay Mesia,
Mpanjakan’izao tontolo izao
Alao hery ny dia ary matokia (2fois)
3- Ndeha hanampy ny hobin’ny ny anjely
Sy ireo mpiandry ondry maro be
Mientana fo sy hafaliana
Mitafy hery vao ka roso ny dia (2fois)