Matokia

None

Matokia


1Toa manjombona ny anio,
Feno raho(na) mitatao
Aizim-pito izay jerena
ka tsy hita izay atao,
Mila ho kivy ny fo
Reraka miasa loha
Aiza intsony no aleha?
Mbola ho tafita ihany ve?


2Anio anefa mitraka
Mijoro aza manahy
Fa Jesosy mbola ao
Sady tena tia anao


Tetezana: mibebaha, atolory azy ny fo
Izay mampanahy ento aminy avokoa
Azo antoka ny famonjena
Sarobidy izay nomena


Fiverenana : matokia aza matahotra
Ka sahia aoka tsy iaotra
Fa manantona ilay mpamonjy mora
Azo amin’ny fahoriana
Jesosy tsy handao na hahafoy anao…


3Ianao koa izay mora kivy
Very hevitra izay tsy izy
Aza variana e, miverena
Ny tomponao anie onena


Mibebaha atolory azy ny fo
Izay mampanahy ento aminy avokoa
Azo antoka ny famonjena
Sarobidy izay nomena


Fiverenanana: ….


Na dia miady mafy aza ianao
Ilay Jesosy tsy mba mandao
Mihevitra hatrany izay mahasoa anao


Fiverenena : MATOKIA….


·