Matokia

Antoko Mpihira MORIA

Matokia


Sarotra ny lalan-kombana
Tsy hita fara koa izay aleha
Ny olana toa saro-bahana
Antsoantso vonjy no re
Misy ihany ve ny maraina
Alim-pahoriana tokoa
No hiainana sy mampitaraina
Mahatonga famoizam-po


Tano ho ampinganao ny finoana
Famonjena fiarovan-doha
Mijoroa fa aza mirona
Mivavaha matetika koa
Mifahara ka misikina
Reseo re ny fakam-panahy
Ny baiboly aza ariana
F’io no sabatry ny fanahy


(Tsarovy fa Jeso) Famonjena ho anao
(Mpanavotra) Mpiandry tsy mba mandao
(Miantoka) ‘Lay fiainam-baovao
Ka atolory ny fonao ho azy
Famonjena ho anao
Mpiandry tsy mba mandao
‘Lay fiainam-baovao
Ka mandehana matokia


Tsy afaka am-poko tokoa ry Jeso
Ny avotra vitanao
F’efa nafoinao ho anay avokoa
Ireo soa izay Anao
Ankalazainay maneran’izao Ianao
Ny voninahitra anie dia Anao
Hatrizay hatrizao


·