Matoa

Barijaona

Matoa


Matoa e! manonja ity moron’ny rano (*2)
Dia misy ny rivo-mitsoka azy tao
Matoa koa ny masoko manganohano
Tsy hafa fa tena alaheloko anao


Matoa e! mijojo sy avy ny orana
Dia efa nandrahona izy io aninkeheo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te ho eny akaikinareo


Matoa misy kalo mandresy ny akora (*2)
Dia izany no hira fanala toloko
Matoa koa ny maso akipiko mora
Dia maika hibanjina anao ato am-poko


Matoa e! mijojo sy avy ny orana
Dia efa nandrahona izy io aninkeheo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te ho eny akaikinareo


·