Masokely

Moajia

Masokely


Masokely manarangarana
Mijery ambony, mijery ambany
Dia mangarika any ho any
Mandeha ho azy (mandeha ho azy)
Rehefa eo anilanao ‘zaho


Teny kely maranidranitra
Toa manindrona, mandoro
Ity foko torotoro
Manasazy (manasazy)
Alikalikanao ‘zaho


Efa nataoko izay rehetra mety ho vitako
Izato heriko aza efa saika ritra koa
Ka mialatsiny raha hangata-dalana ah’
Hihirahira be handamindamina
Yeah


Harivarivariva indray (yeah)
Masoandro mody no indro tazanay (yeah)
Mamoron-tsary ho tsara torimaso
Tsy ankiteny hoe “andraso”
Mandona nefa tsy hita maso


Dia tsarona anie ny fahazazana (yeah)
“Tsisy tsiny” hoy ilay akama (yeah)
Fitia sy tsiky no natolotra anay
Tsarona mandrakizay
Raiki-petaka am-ponay


Hey yeah…
La la lay la la lay lay
Hey yeah…
La la lay la la lay lay


Andraso kely fa hiverenako any
‘Zaho tsy hanaiky fa hidrikina
Ny saiko efa hikina
Ho azy
Tsy misy fitsaharana


Toa mety ihany raha izy ohatran’izany
Raha tsy izany dia mahasahy
Fa ohatrany hoe tsy kôfiboay
Ny tenanay
Lasa tsy mba sahisahy


Ny hiafarany ve raha tena hidrikinako
Dia tsy ho avototro fa tena hifikirako
Ny Zanahary, ny fitia ve dia handà
Raha toa ka izahay hiara-dalana ?
Yeah


Harivarivariva indray (yeah)
Masoandro mody no indro tazanay (yeah)
Mamoron-tsary ho tsara torimaso
Tsy ankiteny hoe “andraso”
Mandona nefa tsy hita maso


Dia tsarona re ny fahazazana (yeah)
“Tsisy tsiny” hoy ilay akama (yeah)
Fitia sy tsiky no natolotra anay
Fa ankehitriny mbola miampy
Zavatra hafa ho anay (yeah-hey)


Harivarivariva indray (yeah)
Masoandro mody no indro tazanay (yeah)
Mamoron-tsary ho tsara torimaso
Tsy ankiteny hoe “andraso”
Mandona nefa tsy hita maso


Dia tsarona re ny fahazazana (yeah)
Singan’olona nihanahana (yeah)
Fitia sy tsiky no natolotra anay
Tsarona mandrakizay
Raiki-petaka am-ponay


Ay ayayayaya…
La la lay la la lay lay


Hey yeah…
La la lay la la lay lay


Mhm mhm…
Hey yeah…
La la lay la la lay lay


Ooh…
La la lay la la lay lay


·