Masoandro faharoa

Rantsana Fanantenana - FJKM Ambaniala Malala

Masoandro faharoa


1 - Kintana masoandro sasak’alina
Toa misosa mora, he milamina
He! Hinoanao ve ny masoandro faharoa
Asa, asa, sarotra tokoa


Fa ny magy no indreo no nanaraka azy hatrao
Hay ve tsy masoandro izy io fa kintana vaovao


2 - Io kintana io manambara fa
Teraka anio ’lay mpamonjinao
Afak’olana aho fa tonga ilay Mesia
Faly aho, ravo, tretrika tokoa


Fa ny magy no indreo tonga hitsaoka Azy
Zava-manitra sy miora volamena koa


3 - Io kintana io manambara fa
Teraka anio ’lay mpamonjinao
Afak’olana aho fa tonga ilay Mesia
Zava-baovao : Masoandro faharoa


·