Masoalina

Bolo

Masoalina


Antsoy aho hoe rah , oh


Mangatsiaka izy ‘zany
Efa nilentika ’lay mpanome hafanana
Rakotry ny rahona sy ny aizina ny tany
Efa nilentika ilay mpanome hazavana


Mody masoandro mody
Dia eo vao mipetraka mifanontanyy
Aiza indray no ahita loharanon-kafanana
Nefa tsy mahita raha tsy misy hazavana


Fa jamba oa ny maso
Bahana tsy mahita izay mpanao akaso
Mangovitry ny tahotra sy ny hatsika ny tena
Hafanao hazavao fa mahoneena


Réf : ‘meo anay , ‘meo anay fa zay mila
Ny hazavana
‘meo anay , ‘meo anay fa aza ariana
Ny hafanana (×2)


(Satria) satria ny alina mitondra loza
Ny aza mba tratrany fa miala ‘mbamin’ny aina
(Ny hazavana) ny hazavana mitsipozipozy
Tsy hitondra fahalemana raha tsy maraina
(Mampalahelo) mampalahelo ny masoandro mooody
Fitaintainana sisa tavela
(Mafanafana) mafanafana fa zone rouge
Ilay nosy menamena ah mandeha rà
Tsy hopitaly de fasana
Ny olon-dratsy no manao ‘zay saim-patany
Ny tsy manantsiny manao sorona ny vatany
Moana marenina sy jamba mifampitatana
‘Meo anay oa


Réfr


Fa masoandro iray ihany
Manazava ny aty sy ny any
Mety ho maloka ny omaly
Fa mbola hidanika ny anio


Ao elah fa ho afanainay
Hodoranay hodoranay @ala
Ao elah fa ho azavainay
Ataonay miredareda tsara
Mafanafana efa lasa mamay
Mitsonika , mitsovaka ‘ray tanana
Te iala fa lasa saina ’ndray
Any antanin’olona avieo tamana


Mankaleo anay kanefa ( eto ihany)
Mankaleo anay kanefa (ho aiza a)
Mankaleo anay kanefa (eo ihany)
‘Meo anay anefa


Refr


Fa masoandro ‘ray ihany
Manazava ny aty sy ny any
Mety ho maloka ny omaly
Fa mbola hidanika ny anio (×2)


·