MASINA NY ANARANAO

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

MASINA NY ANARANAO


Fa fony vao zaza vao niana-nandeha
Dia efa naheno ny anaranao
Taty aoriana efa nihalehibe
Dia nibadabada izao Jesosy izao
Tsy fantatro loatra ny hasaro-bidy
Nahoana no miantso ny anaranao
Saingy androany aho vao nahatsiaro sy nahatadidy
Fa masina ny anaranao


Te hidera hanandratra anao aho
Hihira miandrandra ny lanitra
Te hizara hitory amin’ny hafa f’ ianao irery no Andriamanitra
Masina ianao, tena masina
Nefa manaiky hanatonana
Halanao ny ota, nefa ekenao ny fifonana,
Masina ny anaranao


Satria masina, masina, masina loatra ny anaranao
Mihoby anao izao tontolo izao
Samy manaiky ny fiandriananao
Masina e! F’ inona no teny mihoatra noho izany
Tsisy toa anao, tsisy toa anao raha eto an-tany
Masina ny anaranao


Andriamanitra mahery e
Rain’ny mandrakizay
Ilay mpamonjy olo-bery e
Io ilay Andriamanitray


Andrian’ny fiadanana e
Ilay mpizara fitahiana
Tompon’ny fanapahana e
Mora azo amin’ny fahoriana


Be voninahitra e
Mitoetra amin’ny seza fiandrianany e
Tsy hita faritra
Mahagaga ny asan’ny tanany e


Masina e! Masina e!
Masina loatra ny Tomponay
Masina e ! Masina e
Io ilay Mpanjaka mandrakizay


Hidera anao aho, hiraiko mba ho ren’ izao tontolo izao
Dradraiko eran-tany hoe masina ianao
Masina ianao Tompo o
Hidera anao aho, mino sy matoky resy lahatra
f’ianao no Ray mpandrindra sy mpandahatra
Masina ianao, Masina ianao


·