Masina Jesoa

None

Masina Jesoa


Miantso Anao ‘zahay Tompo ô
Manatre anay eto izao
Mba henoy izahay
Irinay mantsy Tompo ô
Ny hiaina afaka ny sitrakao
Mba ho mpanomponao


Ny itanay, ratsy vitanay
Tsy misy miafina Aminao
Fantatrao avokoa
Koa mihanta Aminao ‘zahay
Arotsay ny Fanahinao
Manamasina anay


Jesoa, Kristy ô, masina Ianao


Bridge:
Ny fanahy ovay ho vao
Entina hanompoana Anao
Am-pitiavana
Koa raha tojo ady sarotra
Sanatria tsy ahatahotra
Tsy mba hivadika


·