MARIA, RENY MAHATOKY
Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)
MARIA, RENY MAHATOKY
Renin’i Jesoa ianao Maria
Henoy re ‘zahay miantso anao
Matoky anao izahay ry Reny tia
Mba mivavaha ho anay zanakao
Reny mahatoky sy marina ianao Maria
Nitondra famonjena ho an’ny olona
Hobianay ianao ary isaoranay koa
Fa nanaiky hitondra an’i Jesoa
Nosoavina ianao nohon’ny vehivavy rehetra
Ka asandrato ny vavakay rehetra
Renin’ny fanantenana ianao
Ampianaro izahay hahay hifankatia
Ampiraiso hatrany tena hiombona
Mba ho Eglizy iray miara-dia
Deraina sy ankalazaina koa
Ry Mpanjakavavin’ny fiadanana
Arovy sy tsimbino ary ivavaho
Mba ho tena zanak’Andriamanitra
A/C: Marius-jm