MARIA O

Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)

MARIA O


Maria ô, arovinao izahay
Maria ô, tantanonao izahay
Ny ranomasonay, ny tahotra hatrizay
Manempotra ka mila anao izahay


Miondrika anatrehanao izahay
Mangataka, mba mivavaha ho anay
Ny voninahitrao, ny hatsaram-ponao
Maria ô, dia famonjena ho anay


Omeo fanantenana avy aminao
Hanavotra izao tontolo izao
Ho herinay ianao, ho finoanay
Maria ô, ianao no tokinay


Ny andro iainanay isan’andro
Nandrasana hibaliaka indray vao kinanjo
Ny herin’ny maizina mandrahona anay
Mba raiso ambany elatrao izahay


Ny andro iainanay isan’andro
Nandrasana hibaliaka indray vao kinanjo
Ny herin’ny maizina mandrahona anay
Mba raiso ambany elatrao izahay


Omeo fanantenana avy aminao
Hanavotra izao tontolo izao
Ho herinay ianao, ho finoanay
Maria ô, ianao no tokinay


Omeo fanantenana avy aminao
Hanavotra izao tontolo izao
(Ho herinay ianao) Ho herinay ianao,
(Ho finoanay) Ho finoanay
Maria ô, ianao no tokinay


(Ho herinay ianao) Ho herinay ianao,
(Ho finoanay) Ho finoanay
Maria ô, ianao no tokinay
Maria ô, ianao no tokinay


·