Manompo tsy amin'ny tahotra
GAFLI
Manompo tsy amin’ny tahotra
- Navelanao ivondrona mba hampiasa ireo talenta
Hitory n’aiza n’aiza, ary indrindra koa hanefa
Hanefa ny irakao dia ny hanambara an’i Jesoa Mpanjaka
Amin’ireo ‘zay nambolena mbola tiana hiorim-paka
Ref: Izy hamela antsika hanompo tsy amin-tahotra
Fa amin’ny toetra masina sy marina eo anatrehany
Aneho ny voninahiny sy ho FEON’NY LANITRA
Fa tena afaka aho noho ’lay Tompoko Andriamanitra
- Misy ihany anefa fisedrana eny an-dalana ombana
Ny tanjonay anefa dia ny hitaona sy ahatamana
Koa mba tazomy izahay amin’ny sandrinao mahery
Ry ’lay mipetraka eo ambony fideran’ny Isiraely
Ref: Izy hamela antsika …
- Fa mbola lavitra ny aleha ho amin’ny firenen-drehetra
Koa handeha faingana aho ary tsy hitaredretra
Amin’ny fitandremana ny didinao ka noho izany
Ho fahazavana sy ho vavolombelonao maneran-tany
Ref: Izy hamela antsika …
*Fin: “DERA SY NY SAOTRA HO ANAO MANDRAKIZAY”