Mankasitraka, Mankatelina

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Mankasitraka, Mankatelina


Fiv :
Mankasitraka eee !
Mankatelina amin’ny soa rehetra nafafinao, ry Ray ô !
Ka misaotra eee !
Izay mba hany hery kely vitanay, ry Ray ô !


1 - Tsy azo atao hoe : olon-ko azy
Na vahiny intsony ianareo
Fa mpiray fanjakana, Ray ô,
Mankasitraka sesehena ny soa e !


2 - Tsy omby tratra ny haravoana
Nanome ny Zanakao ho anay
Ry Fanahy Zanahary Ray ô !
Mankatelina sesehena ny soa e.


3 - Novonjenao izahay, ry Ray ô !
Fa nafoinao hatramin’ny Rà ilay fitia.
Zanakao ilay sitrakao « Solovoina »
Mankasitraka sesehena ny soa e !


4 - Izao fisaoranay izao, ry Ray ô !
Fantatray fa tsy hampitombo ny hasinao,
Nefa izay mba tsapanay hany herinay
Mankatelina sesehena ny soa.


·