Mankasitraka anao ry Noeliko

SLK Miantsa ATV

Mankasitraka anao ry Noeliko


Mankasitraka anao ry Noeliko


1- O ry zalahy o avia (avia)
Hafangiano malaky ny dia(fa hoaiza e)
Ho any jerosalema (fa ahoana e)
Tonga ny famonjena (o lehiretsy a)
Andro malaza tokoa androany
Satria ny mpanjaka no tonga eto antany
Faly no sady finaritra
Fa tonga ’lay zanak’Andriamanitra (*2)


Fiverenany:
Tsy miora na koa zava-manitra
No tiako atao fanatitra
Fa ny foko izay torotoro
Mangovitra mangorohoro


Mankasitraka anao ry noeliko
Dia ‘zao no tsy maitsy teneniko
Dera sy ny voninahitra
Ho anao eto ka hatrany an-danitra.


2- O ry zalahy o avia(avia)
Ndao hiara hidera satria(teo ny andro)
Ny andro fahazazana (eo ny andro)
Andro fahatanorana (‘zao lehiretsy a)
Na antitra aza dia izao re no izy
’ty andro malaza tsy maitsy tadidy
Tonga ho atsika ny zanany
Porofo fa misy ny fitiavany. (*2)


Tsy miora……



O ry zalahy o avia,… Avia…..


–SLK MIANTSA ATV
A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON GABRIEL


·