MANKASITRAKA ANAO

TSIARO

MANKASITRAKA ANAO

Izaho toy izao dia noho Ianao
Izay sahaza ahy dia nomenao
Nataonao nifanojo tamin’izay niriko ny sitrakao
Mankasitraka Anao

Izao rehetra izao raha voahary, dia Ianao niteny
Ny foana heni-javaboahary (tsourourou tsourou)
Narindranao ka lavorary, ireny rehetra ireny
He kanto tsy misy ny toa azy

Ny zanak’olombelona aza moa, nataonao toa Anao
Maneho ny hatsaranao ou ou ou houh
Ny aizina zary mazava iny, maneho ny herinao
Moa misy toa Anao ou ou ou houh

Izaho toy izao dia noho Ianao
Izay sahaza ahy dia nomenao
Nataonao nifanojo tamin’izay niriko ny sitrakao
Nahoana no tsy hankasitraka Anao
Satria toy izao aho dia noho Ianao
Izay sahaza ahy dia nomenao
Nataonao nifanojo tamin’izay niriko ny sitrakao
Mankasitraka Anao

Nekenao nolalovako indraindray
Ireny fitsapana sedra mahamay
Tsy midika anefa izany sanatria
Hoe ianao efa tsy tia anay
Fa fitaizam-panahy satria…

Ny zanak’olombelona aza moa, nataonao toa Anao
Maneho ny hatsaranao ou ou ou houh
Ny aizina zary mazava iny, maneho ny herinao
Moa misy toa Anao ou ou ou houh

Izaho toy izao dia noho Ianao
Izay sahaza ahy dia nomenao
Nataonao nifanojo tamin’izay niriko ny sitrakao
Nahoana no tsy hankasitraka Anao
Satria toy izao aho dia noho Ianao
Izay sahaza ahy dia nomenao
Nataonao nifanojo tamin’izay niriko ny sitrakao
Nahoana no tsy hankasitraka Anao
Satria toy izao aho dia noho Ianao
Izay sahaza ahy dia nomenao
Nataonao nifanojo tamin’izay niriko ny sitrakao
Mankasitraka Anao…

·