Mankasitraka aho

AmbondronA

Mankasitraka aho


Bangoiko iray izay lalantsika hatrizay
Dia niherika aho, hafahako mandroso indray
Raiketiko ho fotoana mamy
Izay vita tany aloha tany
Na fifaliana, na fihafiana
Dia tsy hanan-tsiny


Bridge: Tsy nisalasala ianao
Naneho izay tao am-po tao
Ka niaraka nanohy ny dia hoe hifankatia
Ary ho doria


Ref: Mankasitraka aho, isaorako ianao
Tsy mba mahay miteny aho
Ny foko no hameno
Ary am-panetre-tena
Mankasitraka aho


Mifanolotra fitia
mamakivaky ny ho avy isika
Na zavona sy fanala, masoandro sy hafanana
Ho eo ihany


Bridge: ……


Ref: ……
Ho valim-pitia, ity hira ity ieh!
Ho takatry ny saiko, hanehoako kokoa
Izay mba fihetseham-po
Dia ho feheziko amin’ny teny roa
Mankasitraka aho


·