Mankasitraka

W.o.J Gospel

Mankasitraka


Atolotray ny dera, sy ny voninahitra
Asandratra avo Ianao ry Ray,ilay Tompo sy Mpanjakanay
Masina Indrindra Ianao, Aro sy Fiarovana koa
Ka misaotra Anao izahay, mankasitraka Anao


Tsara Ianao, be Fitia, Mpamindra fo,Mandrakizay
Ka misaotra anao izahay, mankasitraka Anao.


Tsy mendrika aho, hiantso ny Anaranao
Kanefa Ray novonjenao, nodiovinao,
Nosasanao, noraisinao ho tonga zanakao


Nombohina Jesoa Kristy
Noho ny otako, nijaly Izy
Nafoiny ho ahy re ny ainy
Mba ho avotra hanafaka ahy
Mpandresy aho ao Aminy


Atolotray ny dera, sy ny voninahitra
Asandratra avo Ianao ry Ray,ilay Tompo sy Mpanjakanay
Masina Indrindra Ianao, Aro sy Fiarovana koa
Ka misaotra Anao izahay, mankasitraka Anao


·