Mankalaza anao

Tianasoa Razafindrabary

Mankalaza anao


Raha sendra diso lalana aho
Ny fanahinao no mitarika ahy
Rehefa tojo halaelo sy ady sarotra
Ianao mampitraka ahy


Sambatra ny fo
Satria matoky anan-tahotra
Andriamanitra velona ka
Laniako hanompoana anao
Sy hiderako anao
Ny androm-piainako


Mankalaza Anao
Eny ankalaza anao
Ny fanahiko
Hirahira fiderana sy fankalazana
No eo am-bavako


Ho menatra sy angahiahy
‘Reo ‘zay mikasa handrava
Sy hamotika ahy
Fa ny tananao mahery
No miaro ahy sy mitantana ahy


Na ‘reo fandrika mandoza
Tsy ahalavo ahy tsy hakasika ahy
Feno fiadanana sy fifaliana
Ny elatra no ialofako


Mankalaza Anao
Eny ankalaza anao
Ny fanahiko
Hirahira fiderana sy fankalazana
No eo am-bavako


·