Manjonitra

Clim

Manjonitra


Raha mba mamisavisa irery aho
Ny andro lasako hatrizay
Tsy nanao ratsy an’iza n’iza aho
Kanefa koa tsy nanao soa .
Manjonitra !


Ry alika very toy ny zaza
Ato amiko aza ialofanao
Na mandry eritreritra aza
Mahita ireto masonao .
Manjonitra


Ilay mpiantsambo zatra onja
Mpanjono zatra mitady
Nony mba nisy izay mba onja ….
Anjara volany anio
Manjonitra


Ialahy tsy maty fa voasolo
Mahatsiahy ny tolona natao
Mijery ireto tanam-polo
Sy izay mba vokatra hatr’izao
Manjonitra ialahy


Nony hitanao ilay reny tiany
Nitràka tamim-pahamendrehana
Nitory ny fahamboniany
Tery am-pandevenana
Manjonitra ianao


Rehefa sainiko amin-tsento
Ity tontolo mitoreo
Raha misy zaza velona eto
No nanehoany ireo
Manjonitra aho


Veloma indry ry kalakely
Ry sombinaiko kely ity
Tsy misy ny fitia môdely
Fa ny fitiavako andry
Tsy hanjonitra


·