Manja

Ny Voninavoko

Manja



  1. Maro hifidianana tsy hita tanisaina
    Ny lolo lohantaona ery anaty zaridaina
    Mahavala lalina raha ho tantaraina
    Mihaingo sy miredy re ka tsy hita izay ho alaina


Misosa mihan’avaratra misosa mihan’atsimo
Tsy mahalala sasatra fa dia mirimorimo
Ny raozy sy ny bika re tsy misy izay adino
Orohana daholo ka sarotra ny mino


Ref: Manja e, manja e, manja e
Orohana ny bika aloha fa manja e
Enjehina ny raozy aloha fa manja e
Tetezina ao an-kianja
Na Felana na Fanja


Indreny fa mihaingo sy mirenvy e
Isan’andro izao dia andro fety e
Ny avo sy ny iva dia voatety e
Lolo hono aho ka volo
Miovaova volo
Maso dia efa folo
Avia aty daholo



  1. Mba haraho maso anie ny lolo amboasary
    Miravaka azy aminy aho ka maty amosary
    Kanefa ny fihetsiny dia tsy zarizary
    Mitahy amin’ny lisy sy felan-draviavy


Ny lolo anie ry vava ka mitafy lamba mavo
Lalovany mihaitra ka faly sady ravo
Omeny toky koa re ny fanjan’ny voatavo
Fa ny tena tiany dia voninkazo avo


Ref :



  1. Misy mangamanga ka misoratra volory
    Anefa anie ny hajany tsy fantany akory
    Ny volopaiso kely dia omeny zorizory
    Tapahiny mihintsana ka tsy afaka mivory


Ny lolo lohantaona dia mivolom-bolamena
Fantatra avy hatrany hoy aho fa tsy manaja tena
Na intelo miova tsy misombisomby mena
Kinanjo dia nafohy tsy hay tsy tantaraina


Ref :


·