MANITSAKA SAHAFA

Dany Ranoa

MANITSAKA SAHAFA


Misy ireo izay mifaly raha mamotraka ny namany
Hidaraboka amin-tany, sy manitsakitsaka ny lambany !…


Tsy mba tsapan’izy ireny ve fa boribory ange ny tany
Ka izay miringiringy: mbola mety ho lasa ambany ?!…


Entanim-pialonana izy ka tsy mandinika ny làlany,
Tsy misaina kely akory izay ho kotrehin’ny tantarany!…


Fa mbola hanitsaka sahafa izy, indraimaka any…
Ary dia ho voin-tenany ihany
No hibolisatra amin’izany !…


               Dany Ranoa 1983

·