MANIRY HITOETRA

FEOMAFI

MANIRY HITOETRA

Jesoa Tompo no mba mikasa
Ny hitoetra ao am-ponao
Ampitony ny alondrano mangeja ny fiainanao
Izy tsy mba miafahafa fa maniry honina ao
Hanavao ny fiainanao izay potik’ireo ota
Namatotra anao

ref:
BASSE : Jesosy Tompo no miantso ka raiso izy mba hanavao
Soprano , Alto : indro … honena, hory sy reraka ampanahy
tenor : ny fony fa honena, mahita ireo izay reraka ampamanahy
ka mba tolory sy amasino ho Azy ny fonao
f’Izy anie tsy andao

Aza avela andalo fona ny fotoana izay nomeny
Mba ahazoana manambara hitory ny filazantsara
Mba meteza amafy voa ho an’ireo tsy mahalala
Mba tsy ho tonga nenina ra hoavy ny fotoana izay hitsarana

·