Manigny

Gonna Music

Manigny


Marobe tsy voatanisa ah
Ny faritra eto Gasikara
Samy manana mampiavaka azy
Alaotra Mangoro , tany niaviako


Raha tratra fety antanin’olo
Izaho tia hody aminay any eeh
Aza hadinonareo lavitra any
Fa zahay aty miandry aketo oh !


REF:
Manigny eh, ‘zaho zegny tia hody eh
Manigny eh, ‘zaho zegny mahatsiaro (2x)
Antsihanaka ah !


Na dia mafy tsy moramora ah
Fahavaratra mafy ny ady
Rehefa tonga ny fararano
Maintany zahay managno baly eh


Indraindray tena tsy tamana
Velontegna aty tsy maintsy atao oh
Mahatsiarotsiaro ny any antanagna
Fararano akay manosy vary eh


Ref:
Eny lehiretsy ah, mahatsiaro ny any antanagna foana fa..
Ny fitadiavana no manery …


·