Manidina

Donna VMR

Manidina


Manonjanonja hariva²
Ny foko efa manina
Manina hamonjy olon-tiana
Ho tazatazanina
Ela nitady hazavana
Hameno ny banga
Tojo ny meva ka tamana
Ny lanitra manga


Ny ho avy mbola tsy haiko raha hamiratra ho antsika e
Mety hamirifiry mamanala ny hatsiaka e
Misy fotoana aho mantsy manontany tena ihany o
Ndrao hoe tantara indray miserana no hiafarany
Fa…


Ref:
Manidina
Eny an’abakabaka eny aho
Misidina
Molotrao mitsiky efa vitako tsianjery a
Manidina
Eny atopatopany eny aho
Misidina
Roa toa lasa iray mizara ilay tsiambaratelo a


Angano angano arira arira
Ilay nofinofy nataoko hira
Hoento aho andeha hamonjy ny hasambarana ao anatinao
Izaho efa matimatinao


Dia misy fotoana aho mantsy manontany tena ihany o
Ndrao hoe tantara indray miserana no hiafarany o
Ilay mafy² loha toa lasa sarokenatra ihany yeah
Vao hitopian’ny masonao dia manan’elatra
ka…


Ref: (*2)
Manidina
Eny an’abakabaka eny aho
Misidina
Molotrao mitsiky efa vitako tsianjery a
Manidina
Eny atopatopany eny aho
Misidina
Roa toa lasa iray mizara ilay tsiambaratelo a


Fa manonjanonja hariva² …


·