MANGETAHETA

Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)

MANGETAHETA


Mangetaheta Anao aho ry Tompo ô
Manantena Anao tokoa ny foko
Menatra aho fa be ireo fahotako
Ampio aho amin’ny fahosako


Maro loatra ireo ditraditra vitako
Nandikako foana ny sitrakao
Mamelà ahy ry Tompo be fitia
Hiezaka aho hanitsy ny dia


Mangetaheta Anao aho
Mangetaheta Anao aho ry Tompoko


Mangetaheta Anao aho ry Tompo ô
Manantena Anao tokoa ny foko
Menatra aho fa be ireo fahotako
Ampio aho amin’ny fahosako


Maro loatra ireo ditraditra vitako
Nandikako foana ny sitrakao
Mamelà ahy ry Tompo be fitia
Hiezaka aho hanitsy ny dia


Ny sitrakao Tompo ô
No tanterahiko


Ny sitrakao Tompo ô no tanterahiko
Izay tianao ihany ihany koa
No tsy maintsy arahiko


Raha sanatria indro aho
Miady hania


Aza avelanao lavo aho
Arovinao ny dia


Ny sitrakao Tompo ô no tanterahiko
Izay tianao ihany ihany koa
No tsy maintsy arahiko


Raha sanatria indro aho
Miady hania


Aza avelanao lavo aho
Arovinao ny dia


A/C : M.TAR.KE.J. (Nonot)


·