MANGA VOLON-DANITRA
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
MANGA VOLON-DANITRA
Ity misy fitia banjinina maharitra
Fitia mahatehotia miloko mahafinaritra
Fitiavana manga volon-danitra
Manintona mahababo ny fo
Hetsehin’ny fotsy maharitra
Midobodoboka mafy tokoa
Izay ilay hery mahagaga
Miloko lanitra manga
Sy mampisava ny adi-tsaina
Mamelombelona ny aina
Manala ny aretiko
Manafaka ny feriko
Sy manamafy ny finoako hatoky ilay mpamonjiko
Irio io fitiavana io ao amin ‘Andriamanitra
Fidio sy hitafio ilay manga volon-danitra