MANDRIA AM-PIADANANA

Zo Ryan

MANDRIA AM-PIADANANA


Tohina ny fo Vahotra ny lela


Ianao lasa nialoha ‘zahay tavela


Ny sainay tsy mety mino
Hoe Ianao tsy ho hita intsony
Ianao anefa tsy hohadino
Ny fonay tsy tony


Nantsoin’ny Ray nody any aminy
Ianao namonjy tontolo vaovao
Mino izahay fa mbola hositraniny
Ny fonay naratra nilaozanao


REFRAIN :
Mandria ampiadanana Ianao
Ny fitiavanao anefa hitoetra
Satria dia lasa ianao nandao
Ny aina koa moa tsy mifametra
Mandria ampiadanana Ianao
Ianao anefa tsy hohadinonay
Ka na tsy ho eo intsony aza ianao
Izay vitanao hitoetra hoanay
Fa mbola hihaona indray
Tsy ho mandrakizay


Ekenay satria izay no fandaharan’Izy nanome
Na ny alahelonay aza be
Izao tapitra ny fotoana
mpindrana ihany izahay
Ka isaorana azy foana
f’Izy Ilay RAY


Nantsoiny Ianao hody any aminy
Ianao namonjy tontolo vaovao
Mino izahay fa mbola hositraniny
Ny fonay naratra nilaozanao


REFRAIN :
Mandria ampiadanana Ianao……….


Bridge:
Veloma mandrapihaona
Fa tsy hoe mandrakizay
Ny anay koa mbola hoavy ny fotoana
Amin’izay dia hifankahita indray


REFRAIN :
Mandria ampiadanana Ianao……….


Auteur / Compositeur : Zo Ryan


·