Mandravasarotra (feat Edgard Ravahatra)

Olombelo Ricky

Mandravasarotra (feat Edgard Ravahatra)


Ny ratranao tsy ho ratrany
‘Zay tsapanao tsy ho tsapany
Alahelo tsy ambara ny havana
Zakan’ny tompony ihany


Rovidrovitra ny eo anatiny
Feno ratra ka tsy ho tantiny
Ny mozikanao no andrasany
Mandravasarotra ataovy mety aminy


Mandravasarotra e, ny mozikanao
Mandravasarotra e eia


Lavidavitra ianao takariny
Raha sendra lavo ianao tantanany
Hikopak’elatra hiara-manidina
Tsy mifandao na eto na any
Mandravasarotra ny mozikany
Andihizanao, andihizany
Ireo tantaranareo tsy nofaranany
Fa entiny mandra-maty


Mandravasarotra e, ny mozikanao
Mandravasarotra e, eia


Ho ento manidina, ho ento manidina
Ho ento manidina 


Ny mozikanao, mandravasarotra
Ny fitsikinao, mandravasarotra
Hirahiranao, mandravasarotra
Ny mozikanao, mandravasarotra
Mandravasarotra e


·