Mandrampahoviana

Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa

Mandrampahoviana


Mandrampahoviana no hanadinoanao ahy Tompo oh
Mandrampahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko
Mandrampahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin’ny fanahiko ao
Ka ho feno alahelo isan’andro ny foko
Mandrampahoviana no hitsanganan’ireo fahavaloko hamely ahy
Mandrampahoviana Tompo oh


Mbola tsy niantefa taminao ny antsoko , dia indro ianao ry Tompo nanolo-tanana ahy
Avia hoy ianao ,avia manaraka ahy , Ny foko ho anao miraiki-pitia


Hihira ho anao aho ry Tompo tsara fo , nohon’ny soa nataonao tamiko


Hoy niteny hoe aza mitsikera , ireny otanao fa sao ho kivy ianao
Avia hoy ianao ,avia manaraka ahy , Ny foko ho anao miraiki-pitia


Hihira ho anao aho ry Tompo tsara fo , nohon’ny soa nataonao tamiko


Irony anatrao , manjohy ny fanahy , fanilo manazava mitondra fandresena
Ny fiainako tontolo no miaraka aminao fa lalina ho ahy ny fitiavanao


Hihira ho anao aho ry Tompo tsara fo , nohon’ny soa nataonao tamiko


·