Mandrakizay
Julien Rassmann
Mandrakizay
Izay rehetra mety ho ahy, fa tsara fo fanahy
Dia omeko - ho anao tsy misy fetra amin’ny androko rehetra
Omeko anao e, irery ihany mandra-pialako eto an-tany
Mbola hitohy hatrany hatrany,
Hatrany hatrany ambadika any
Manam-petra mety ho lany
Raha ny fiainana eto an-tany
Fa ho doria, doria doria ilay fitia
Tsy atakalo, tsy ho soloiko
Ny fitiavako anao
Na hanambazana ahy aza izao tontolo izao
Fa ny ahy, ianao no ilaiko
Hanolorako ny aiko
Sy omeko teny iray
Tiako ianao e, mandrakizay