Mandondona mora

CVSN(Chorale Vaovao Sabotsy Namehana)

Mandondona mora


Mandondona mora ao am-ponao
amim-pitiavana Jesosy.
Mivimbina HARENA sy FIADANANA
FITSAHARANA sy FILAMINANA.


Izy tsy mitandro hasasarana.
Te hahita anao hiresaka Aminy.
Hampandova anao izay FANANANY
hampitafy anao ny FAHAMASINANY


Ref :
Ny fonao ho henika hazavana
hamirapiratra, FITIAVANA hanovanao.
Hadinonao tsy hitambesatra ao intsony
ny olana nangeja anao hatrizay
AFAKA noho ilay FAHASOAVANY.


Rivo Raveloarijaona


·